Gasikarako (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

#GASIKARAKO

Mangoraka anao aho ry ilay gasikarako ( ry gasikara o)
ry tany tsy foiko nosy mamiko,
ny tsara rehetra dia efa ao aminao,
foin-janahary ireo natao mba iadananao!
Fa menatra anao aho ry ilay gasikarako ( ry gasikara o)
izay momba anao aza tsy fantatro,
moa ve ny harenao tsy harena ho ahy koa
kanefa indrisy fa tsy nahasambatra anao

Fa anananao avokoa ny harena ambanin'ny tany,
kanefa tsy izany fa mahantra ihany
ireo vahiny izay mandalo mitsiriTsiky dia ampyritra avokoa,
fa kanto loatra ianao ry Madagasikara soa
fa ilay nahary no nandavorary ,ity nositsika ity ho paradisa

Andriamanitra Ray, Ray nahary dia niala nenina tokoa
Soa ianao ry gasikarako,tsara ianao ry nosindrazako
koa raiso ho adidy ny manaja sy mikolo
manajary ity nositsika ity
Andriamanitra Ray raha nahary dia malagasy tena iray
ka ianao ry gasikarako eny ianao ry tanindrazako
koa raiso ho adidy ny manaja sy mikolo
manajary ity nosy mamiko
AKAFA AMBATOLAMPY
A/C R.SAMSON

Hevitra mandeha

antsakarmela (14/04/2017 08:50:58)

Antsan'ny Karmela fanantenana Ambatolampy (AKAFA)

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Mpamaky : 733
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : antsakarmela
Tamin'ny : 04/04/2017 23:11:55
ID : 9276

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo