AMPIANARO AHO TOMPO (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampianaro aho Tompo, mba hanao NY sitratrakao.
Hafantarako fa zava-poana izao rehetra izao.
Maro loatra ireo fakam-panahy misakana NY dia
Tsy hatanteraka NY Anao ry Tompo tia( ry Tompo tia)
Nokedrenao mba ho tonga olom-banona aho ry Ray.
Nefa noho NY adalako ,indro aho nangahiahy.

Ref: NY finoako Tompo o, aoreno ho marina
MBA tsy hisalasala intsony ny Aminao.
Ka tsy hisy hasakana ahy ,tsy hanantona anao.
Na inona e, hanjo NY fianako ety an-tany ety.

Ampianaro aho Tompo mba ho resy Lahatra
Fa ny teninao irery no afaka hamaha ,
izany ahiahim-poko olona mangeja ahy.
Tsy hahitako izany tavanao ry Ray ( NY tavanao)
Aza avela ho sondriana hanamarin-tena aho,
Fa avereno hahalala izany voninahitrao.
NY finoako....

Ampianaro aho Tompo ho feno fandeferana
Fa hanindry ny ambom-po mitoetra na miserana.
Tsy hisaina valifaty na hanao andolom-po
Fa hivavaka hadio ry Tompo soa( ry Tompo soa)
Ka ho tia ireo namako mihoatra noho ny tenako.
ireo mitsangako ho fahavalo apetrako eo an-tananao
NY finoako.....

Akafa Ambatolampy volume 1
Samson R
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Vangy : 1274
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : antsakarmela
Daty : 03/10/2018 08:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718