Nino aho ka dia niteny (Antsan'ny Finoana Ambodivary Soavina)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Antsan'ny Finoana no injao,No injao fa miaraka, manandra-peo izao;
ka indro vonona ny ankalaza ilay Ray,
Izay nanambatra anay ho tena iray
Ndeha zarao, ny teny mahasoa;
Ambarao ho ren'ny maro koa.
ka dia mba handre ireo tsy mahalala izany;
Fa ao no harena izay tsy mety lany.
Azonao ny famonjena anio;
Matokia an'i Jesosy anio.
Izy anie no ilay Mpanjaka lehibe
Mpitarika amin'izay rehetra aleha.
Araka ny voasoratra,
Voasoratra manao hoe:
"Dia indro nino aho ka dia niteny;
Dia mino koa izahay ka dia miteny".
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Finoana Ambodivary SoavinaVangy : 1130
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fanafy
Daty : 09/03/2015 08:46