Tantano (Antsa an'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tantano aho Jesosy Tompo
Ho eo ambany elatrao mandrakizay
mba hanompo anao sy ho tia anao Tompo
Ka hanaja anao...
He tanora saina aho
Tsy mendrika anao
Tsy mendrika tokoa, nefa Tompo ô!
Ny ato anatiko dia tia
Tia anao tokoa

Tano aho Jesosy Tompo, hiaraka aminao
Hanao ny asanao, ekeko tsotra izao
Ny mba ho fanirakao, vonona aho izao
Esory amiko izay tsy nambolenao ho ahy
Aty anatiko, fa te ho fanakao
Fanaka fitondranao, ny Anaranao

Fa izay rehetra atao, ankiniko aminao
Mba ho tantananao Tompo ô!
Mba ho arovanao tokoa
Mba tsy ho solafaka aho
He na dia maro aza ireo adalana
Sy ireo fitsapana ety an-tany
Mba tefeo aho Tompo ô!
Haharitra aminao.

Mangataka eto aho ho an'ireo namako
Mba ho arovanao sy ho tahianao
Mba ho henika ny soa tokoa
Ny soa avy aminao
He, afaho ny mijaly
Sitrano izay marary
Matoky anao aho amin'izay atao
Satria ianao Jesosy Tia
Ilay be indrafo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsa an'i Kristy
Vangy : 14124
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mozikako
Daty : 15/04/2016 10:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724