Soa (Antsa an'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Soa fa ianao
Mety ny hitantana ahy
Eny soa fa, fa teo ianao,
Eny soa fa ianao no fiarovan-tratra ho ahy
Jesosy ô ! Jesosy namako

Soa fa ianao tsy mba nety handao ahy
Eny soa fa tsy nandao ahy
Maro ny ady sy olam-piainako hatrizay
Nijoro ianao, nijoro hiady ho ahy

Ny fitiavanao Jeso mampahery ahy
Ny fitiavanao Jeso no mampahery ahy
Mba tiako ho toa anao ekeo ka tanteraho
Jesosy ô ny fitiavanao hampisy aina
Hampisy aina vaovao ho ahy


Soa fa ianao no antsoina toy izao
Na amin'ny mora na amin'ny mafy koa
Eny soa fa ianao tsy mananavaka
F'izay miantso anao dia valianao

Ny fitiavanao Jeso mampijoro ahy
Ny fitiavanao Jeso no mampatoky ahy
Voakapoka hatrizay nandia fitsapana may
Nefa dia ny fitiavanao mahery ka
Ka mampijoro ahy

Soa fa ianao ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsa an'i Kristy
Vangy : 4197
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : IMR
Daty : 24/12/2012 12:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1127