Medley animation (Antsa an'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fifaliana ho anay ny mahita anareo e!
Hiara-hifandray tanana,
Hiara-hifam-pitantana
Tsiky kely no atolotray
Ka hiaraka isika hidera ny Ray ô!

Hiara-hifandray tanana,
Hiara-hifam-pitantana
Hiara-hidera ny Tompo iray ô!
Eny, hiara-hidera.
....
Matoky Anao, ‘lay Tompo sy Andriamanitro aho
Ka mialoka Aminao tsy manana ahiahy
Misaotra Anao mpanome ny soan'ny lanitra
Tsy asoloko ireo raha izao tontolo izao.

Matoky Anao na dia sarotra fantarina
(Ny fihevitrao sy ny fitarihanao)
Matoky Anao ilay Tsitoha mpanao ny marina
Be indrafo Rain’ny fiadanana!
....
Manana aho,Tompo ô fa manana Anao
Niova ny fiainako Tompo ô tao Aminao.
Tsy nanenina aho raha nandray Anao
tsy ho toy izao ny fiainako,
Raha toa tsy tao Aminao.
....
Mpamindra fo anie Izy,
'Lay Andriamanintsika
Tsy mila tambiny mihintsy,
Ny fitiavany tsy mety ritra
Ray ô andrandrainay,
'F'Izy no fanantenana
Ho Azy lalandava ny dera sy laza!
....
Oh ô!ôh!ôôô!
Hô! ô!ô!ô!!
Aofaofay oah ny tànana e!

Oh ô!ôh! ôôô!
Ô ô ô!! ôôô!!
Ny fitiavany anie fenomanana e!

*Asandrato e!,(x2)
Asandrato amin'ny hira tsy miato e!
*Asandrato e!!(x2).

Fiderana tsy misy fetrany mendrika azy
Fiankohofana rehetra atolory azy
*Indrahindrainay,(x2)
Indrahindraina...ay!!
....
Tompo ô! misandrata e! eh!
Tompo ô! misandrata e! eh!
Eo amin'ny fiainako ny anaranao!
Ho fahazavan'izao tontolo izao

Tompo ô! misandrata e! eh!
Tompo ô! misandrata e! eh!
Eo amin'ny fiainako ny anaranao!
Ho fahazavan'izao tontolo izao!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsa an'i Kristy
Vangy : 764
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 22/11/2021 23:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739