You are here: home > Tononkira > Antsa an'i Kristy

Harena vao (Antsa an'i Kristy)

Na mavesatra aza ny alaheloko ato am-po
Ka mipatrapatraka ny ranomasoko
Dia tsaroako fa eo ianao ry Ray Tsitoha
Mampionona, mamaha ny olako

Na be aizina manarona ny lalako
Mbola miandrandra ny hazavan'ilay Tsitoha
Na dia ritra aza ireo 'zay kely ananako
Haiko fa hosoloinao harena vao

Tiako ianao Jeso
Harenako tokoa
Ka n'inona hanjo dia fantatro
Dia fantatro,
Fa eo ianao hanohana ahy,
Hanampy sy hanome ahy harena vao

Na dia pahina aza ireto masoko anTsiky dia ampykiroa
Na dia tapaka ny tanako sy tongotro
Raha mbola omenao ny vava iray hiteny soa,
Entiko hidera anao ry Ray Tsitoha!

Mba meteza ianao ho fiarovan-tratrako
Izaho dia kely hery, satry mafy be manjo
Nefa tiako hotsapanao ry Jeso malalako
Tsy hisy hatakaloko anao tokoa.

Tiako ianao Jeso
Harenako tokoa,
Ka n'inona hanjo, dia fantatro
Fantatro fa eo ianao hanohana ahy
Hanampy sy hanome ahy harena vao.

Tiako ianao ...
Harenako tokoa ...
Tiako ianao ...
Ka n'inona hanjo eo ianao ...

Mpihira : Antsa an'i Kristy
Mpamaky : 2642
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : IMR
Tamin'ny : 24/12/2012 12:03:17
ID : 6260

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo