EO AN TONGOTRAO JESOA (Antokom-pihira Hanitry ny Lanitra(AHL))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eo an tongotrao Jesoa?

Eo antongotrao Jeso
No hiantorahako mpanomponao
F'eo no misy vonjy ho Ahy
Tena azo antoka
Ô fifaliana omenao
Tsy ho tapitra mandrakizay
Fiadanana no tsapako
Raha eo anilanao Jeso

Fiv:
Fa nahoana moa no sahiko
Ny mihira toy izao
Satria nomenao ahy ny lambam-pamarinanao
Eny sambatra aho hitoeranao
Jeso malalako
Raiso re ny saotra hatolotro
Fa tena vokatry ny fo

Jeso ô atolotro
Ho anao zao tenako izao
Na tsy mendrika aza re atokany ho anao
Fa vonona aho hanaradia
Na ho mora na ho sarotra
Ianao no hianteherako ka
Tsy mba hanan-tahotra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira Hanitry ny Lanitra(AHL)
Vangy : 493
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : MARAH
Daty : 03/06/2022 21:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718