Inty aho (Antoko Mpihira AFAS (Antsan'ny Finoana Ambodivary Soavina))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Duo.
1. Noho ny antsonao, inty aho Jesoa.
Ho ankaikinao, hanaiky Anao.
Fa Hianao, tia ahy tokoa.
Hianao miantso ahy, tsy ho laviko.

2. Hanompo Anao ny fiainako.
Ho laviko ny tenako.
Ny teninao hitarika ahy.
Ka ho an-danitra rahatrizay.

Ref.
Ela no niambahambako.
Tsy nandray ny tànanao.
Ireo fisalasalako.
Saika nandavako Anao.
Ankehitriny inty aho.
Vonona ho irako.
Ka izay sitrakao no sitrako.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira AFAS (Antsan'ny Finoana Ambodivary Soavina)
Vangy : 103
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fanafy
Daty : 10/09/2024 07:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783