FAMPAHEREZANA (AMPIFITIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FAMPAHEREZANA

Ianao 'lay tovovavy, tena sasatry ny miraina, fa trotraky ny fiainana
Ianao 'lay im-polo, saika hisy haka ho vady, saingy tsisy iray tanteraka
Ianao 'zay leon'ny fitaka, sy lainga tsara lahatra, ka dia nanapa-kevitra
Fa hamaly faty lehilahy ianao nanomboka teo
Dia nasesinao tokoa, izay rehetra tonga teo tsy mba nitandronao fo
Ka na lehilahy toka-tena, na'reo efa manambady, de niarahanao avokoa
Be no tapitra harena, be ireo namoy fo, noho ny nafitsokao
Be no rava tokantrano, fa nanary vady tsotr'izao.... Ka....

Aoka! Aoka aok'itsy! Aoka! 'ty fomba ratsy 'ty
Aoka! Aoka fa tsy tian'I Jesosy
Aoka! Aoka aoka fa! Aoka! 'ndeha ka mibebà
Dia! Manamasina tena sy fanahy.
Jeroa! 'lay Jesosy Tia! Izy! Tena be fitia
Antsoy! Antsoy izy fa hamaly anao
Izy! 'lay be indrafo! Sady! Mpanao soa
Vonon'izy hampahery anao.

Ianao 'lay lehilahy, 'zay nahay nitondra tena, sy nanaja ankohonana
Saingy sendra izay vehivavy, 'zay mpanitsakitsa-bady, tena mampitonatonana
Hany ka tsy tantinao, 'reo rafilahy maro, miray vady aminao
Ka nanosika anao, hanao tsy fanao
Dia niova ianao, fa nanomboka nifoka, sy nanomboka nisotro koa
Rehefa zava-mahamamo, toy ny toaka sy rongonay, de nohaninao avokoa
De manjary mandry an-tatatra, manjary tsy mivavaka, fa hoe mamoy fo
Mivoana! Tsy mihevitra, mamono eritreritra.... Ka....

Fiv.
Aoka! Aoka aok'itsy! Aoka! 'ty fomba ratsy 'ty...

Ianao 'lay tovolahy, tena mbola erotrerony, avy any ambanivohitra
Ianao nahazo bacc! Ka de nanoh fianarana aty an-drenivohitra
Ianao 'lay mba nitia tovovavin'Iarivo, de ireo mpiara-mianatra
Saingy indrisy! Injato kely ianao voafitaka
Ianao 'lay tso-pitafy, ilay tsy be vola, ka de nitady hevitra
Nitia vavy antitra, efa ho fitopolo taona, fa mbola mihetsiketsika
Vehivavy manam-bola, in-telo maty vady, no niantoka anao
Tonga nanana ny ampy, tsara bika sy fitafy ianao.... Ka...

Kanjo! Loza lehibe! loza! Voan'ny AVC
Maty! Maty tampoka! Ramatoabe!
Kivy! Tena kivy ianao! Ino! Ino indray hatao
Hany herinao nihira hoe:
Raha maizina ny làlakko, Jehovah Tompo o!
Ianao no iankinako, ianao no jiroko.

Koa! Aza ketraka! na koa! na mamoy fo
Eny! Eny mitraka! antsoy Jeso
Izy! 'lay be indrafo! Sady! Mpanao soa
Vonon'izy hampahery anao.
Fantany ny mahasoa anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIFITIA
Vangy : 553
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Laytianao7
Daty : 25/02/2023 01:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4266