Hono hoy aho (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
hono hoy aho hainao ve f ianao anie no ataoko rehareha
ilay tsy mirintona fa miherika rehefa hiaino ahy
manolotra ahy ny tananao mandray hatrany ho namanao
ary ianao no mba mijery raha sendra irery sy kivy iny aho

ianao mitsiky indray mikipy
dia miarina aho
raha potraka iny aho
dia mba eo ianao mitsilo lalana

hiazakazaka aho (eo anilanao hiaro anao)
hivezivezy eny (hiaraka aminao akaikinao)
hihazakazaka aho , hivezivezy eny ar aza manahy f ho tanako ny teny
ts mba sasatra aho noho ianao

hono hoy aho ho haiko ve ny hamaly ireny efa vitanao
tsy hikely soroka aho ny soa no asetriko ho anao
ny fonao no efa nasarika ahy

ianao mitsiky indray mikipy
dia miarina aho
raha potraka iny aho
dia mba eo ianao mitsilo lalana

hiazakazaka aho (eo anilanao hiaro anao)
hivezivezy eny (hiaraka aminao akaikinao)
hihazakazaka aho , hivezivezy eny ar aza manahy f ho tanako ny teny
ts mba sasatra aho noho ianao *2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 860
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tsirymalala
Daty : 06/12/2021 12:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1803