Ry Jesoa Mpitia (AKON'I BETELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ry Jesoa mpitia ô avia
Fa miantso ny mpanomponao
Mihainoa ka mba mamalia
Fa reraka aza mandao

Refrain:
Jereo (Jereo, jereo, Jereo Jesoa)
Jesoa ô (Henoy, henoy ny feoko)
Mila ho ketraka re ny fo
Jereo (Ray ô valio) ry Ray ô
Ö Ray ô valio ny fivavako
(Ny antsoko valio ny fivavako)

2-Ny foko misaora ny Tompo
Na mafy aza ny manjo
Fa ny loza sy voina mihatra
Dia vokatry ny otanay.

3-Ry Tompo Jesosy mpitahy
Mba mamelà ny heloko
Ny fitahianao arotsahy
Hanala ny fahoriako

4-Ry Tompo mahery Tsitoha
Isaoranay mandrakizay
Ny voninahitra aman-daza
Sy dera no atolotra Anao

A/C: RABEARIVELO Auguste
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AKON'I BETELA
Vangy : 20
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sarobidy
Daty : 09/04/2026 07:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0489