Nambolena ka naniry (18.3)

NAMBOLENA KA NANIRY

Nambolena ka naniry
Voakolokolo ka nitsiry
Ireto zanaka amam-para
Solofonao ry Madagasikara

Lehibe ka hanolo-tena
Hamaly valimbabena
Hahanao ny soa sy tsara
Lazanao ry Madagasikara

Ianao no niandohahana
Ka tomady izato nofo
Ianao no hiafarana
Sy nandevenenana ny tavoniko.

Ka na zovy, ny soa sy tsara, Bikana
Mendrika toa fiara
Ianao tsy takalozako,
fa nosin-drazako
Ho ahy tsy hisolo
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/183/nambolena-ka-naniry
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 18.3
Vangy : 5821
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Voankininina
Daty : 03/12/2002 11:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.076