Indraindray (18.3)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa miovohovo toa mivadibadika to mandalo dia miserana ny fifaliana ny redy ny fijaliana toa lasa nofinofy ilay vinvina le faniriana fa
Tsy safidiko ny tonga ety an-tany tsy safidy ny anarako fa asehoko ny fitsiky dia alaiko ny anjarako mba ho hita ny laharako
Toa manadalondalo daholy ny zava-drehetra mandalo dia miserana manerana fitiavana parotsy fiadanana tsy ferana fa mandalo dia miserana
Indraindray toa falifaly mijalijaly tomany tomany mandalo daholy zany otrany bonbon tsetsafo de aveo lany
Fa miakamidina io tsam boribory ny tany de aza kivikivy @zany de aza manao fatany fatany
Dia mba miadiva aza mialamaina mody fetsy ra tsafaina aza be taraina de mba otran'ny adala faly miaina

Kopy tsika misy mafana tsy maintsy hangatsiaka misy koa tany lonaka mety hivadika riaka
Sioka tokana de ho tapaka ny lebany ny lebany aza mety ho tapaka ny ambany mety hiakatra
Ny ambony koa mety hilatsadatsaka ho filasika mety hikoka kasoka mety hidasika eny @torapasika fa mampangovitra ny arena aza mety ho vototra ny faly mety ho tezitra mety ho sosopaty satria ny velona mety ho faty fa mety tsy nahataty ny onjampiainana miakamidina ny sipa kalam aza lasa misidina ny lebany mitsingidina ny kaly aza miovaova ny vidiny
Mitaky ny fiainana kanefa iza no hitarainana amzao asivo fisainana fa sao dia voa ianao de lao ka zao

Dia falifaly ela indraindray
Dia sambasambatra ela indraindray
Ankasitrahana ela indraindray
Fa miovahova foana ny aty de zay de zay

Ny fiainana mitsimbadika ny ao aloha lasa ao ambadika
Ny manodidina indray mamadika indraindray mitsiky indraindray mangarika otran'ny varika refa mizarika
Amitaka anafitetaka fotsiny fa tsy hanome torimarika
Indrai'dray koa atosiky ny vintana ny sasany de lasa nanana tampoka rahefa tsy mahay mitantana de matsapa otran'ny novonoin'ny olona tampoka miakapoka @tongotra ankatoka
Indraindray koa ny lena lasa mando avy mando de mitanin'andro
Indraindray koa ela lasa vavy malaina isasa de manao fihetsika sarim-bavy te ho lasa favy de lasa mitondra arentina mampanavy

Yo n'iza n'iza bokina na kely saina na be mokiny ka mitetiky ny ikala be de poinsa ho jokina satria manantena ny tsisy manantena ny hiadana nefa tsy misy io ka tadidio mety hifafaka io ka ipitsiho any
Ny mainy hivadika ho fotsy ny aizina lasa hazavana
Tsy tàna intsony fa ny hatsiaka aza mety ho lasa hafanana
Ny tiako kozina ny tiako popina @ teniko dia hoe misy ny vintana sy lahatra kanefa tsy afeniko fa izaho mino fa samy mitondra ny fiainany izay pass-tsika pass-tsika fa izay manaraka ambokony amiko efa mivika
Vita izay ny anjarako ka aleo ho vitaiko @izay ny tantarako raha misy manontany dia adala faly miaina ny anarako

Boribory ny tany nefa tandremo ihay ry tsam
Indraindray ny ambany mety lasa eny ambony any
Tsy hiaina foana @ nofinofy sy sarisary fa mba falifaly
Rehefa tonga ny ora itotonan'ny sôsy @ hazakazan-tsoavaly
Kodiaran-tsarety ny fiainana aza kivy fa eto am-pisainana
Izay misakira vadin'andriana f'efa mafy ny onja-piainana
Ny fiainana miovaova mivadibadika ny androany tsy ampitso ny ampitso koa mety tsy ho rafak'ampitso
Ilay tafo bozaka misy ronono mety ho lasa tafo fanintso
Ny avo mety ho iva ny iva mety ho lasa avo lavo
Ny fiainana mitovy @ ladim-boatavo mivavaha any @ avo @ anaran'ny Ray sy ny zanaka Amen

Reveko milay ny fiainako faly miaina ny fomba fisainako
Na ory na faly aho reveko milay tsy misy hitaintainako
Ilay fiainana tsy manao lokaloka tsy mandokandoka indraindray ilay tetika toa mandamoka mampifokafoka
Tsy isan'andro ny fery indraindray mety indraindray tsy mety indraindray voalangolango indraindray bedy fa
Ny ahy tsy asiako cred tsy asiako serimaonina na fantatro aza ny fiainako manao stalon
Reveko milay reveko bonne erintsaina pinga le ndomakon mandalo dia miserana ty izay may tsy avelako indraindray mipi-maso beybey de zay de zay
Samy manana ny làlany samy manana ny anjarany fa za tsy kivy androso tsy hiemo-dalana otran'ilay samaritana farany.



Saintsaino.....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 18.3
Vangy : 4171
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Dadann
Daty : 29/09/2016 06:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073