samy mbola hafa 2.0 ('Zay)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampitapitao any ny hafatroRaha mba mandalo any ianao
Lazao izy hoe
Efa ela ihany no tsy tazany
Sa efa adinonao ny fisiany ao ?
Raha toa sitrakao
Dia izao lazao
Izaho aty dia efa te-hahita azy indray
Efa nanadino ireo adiadinay
Fa mbola tiany foana hono ianao
Tsy niova na ho ela na ho haingana
Fitia tsy sangisangy na koa haitraitra
Fa rehefa tia dia ho doria
Lazao tsotra : eny na tsia
Efa ela mihitsy aho
No tsy mba nahita azy intsony
Tsy nandre mihitsy izay mikasika azy
Fa hatramin’ilay adiady iny
No tsy mba nifanena intsony
Nefa mino aho f’izy izay mety efa tony
Ref : Fa mba anontanio azy kely
Mbola ao ve ilay fitiavana
Fa mba anontanio azy kely
Efa adino ve ilay namana
Fa mba anontanio azy kely
Tsy mety intsony ve ilay fiarahana
F’izao aty mbola te ho-tantanana
Ref :Fa mbola tiany foana hono ianao
Tsy niova na ho ela na ho haingana
Fitia tsy sangisangy na koa haitraitra
Fa rehefa tia dia ho doria
Valio tsotra : eny na tsia
Anotanio azy eny na tsia
Nampidirin'i R.Safidy
--------
Lien:
