Manahy ihany ('Zay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ha lah lah ieh
Ha lah lah ieh
Ha lah lah ieh
eh yah

Hiverina any aho androany
Asa raha hotsaroany ihany
Tsy haiko aloha izay mbola hiseho
Fitiavana ve sa ho toreo

Taona maro nangingina
Tsy teo anilan'ilay tiana
Asa izy izay manao ahoana
Moa ve mbola tia ahy foana?

Manahy ihany ndrao ho tomany
No hitsena ahy rehefa tonga any
Manahy ihany ndrao ho tomany
No hitsena ahy rehefa tonga any

Moa ve ny elanelan-tany
Nanova ilay fitiavanay izay mamy dia mamy
Sao dia rehefa ela ny ela
Lasa fahatsiarovana sisa tavela

Zaho nefa aty tsy milalao
Fa miketrika izay azo atao
Tsy ho ahy irery anefa izany
Fa ho anay roa hatrany hatrany


Somary banga ilay fitia
Tsy mbola niova aloha raha ny ahy
Fa ny azy kosa asa lahy

Manahy ihany ndrao ho tomany
No hitsena ahy rehefa tonga any
Manahy ihany ndrao ho tomany
No hitsena ahy rehefa tonga any

Moa ve ny elanelan-tany
Nanova ilay fitiavanay izay mamy dia mamy
Sao dia rehefa ela ny ela
Lasa fahatsiarovana sisa tavela

O lah O lah e
O lah O lah e, e i ah eh
O lah O lah e
O lah O lah e, e i ah

Manahy ihany ndrao ho tomany
No hitsena ahy rehefa tonga any
Manahy ihany ndrao ho tomany
No hitsena ahy rehefa tonga any

Moa ve ny elanelan-tany
Nanova ilay fitiavanay izay mamy dia mamy
Sao dia rehefa ela ny ela
Lasa fahatsiarovana sisa tavela
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : 'Zay
Visites : 12441
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : jantina
Date : 10/10/2012 23:25
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013