Fitiavako ianao ('Zay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitiavako ianao (3)
... Ianao ihany

Hé! Hé (7)

Dia nataoko ihany ny hoe hanadino anao
Tsy hanohy ilay fitia tanatiko tao
Dia nohezahiko ihany koa ny nanindry ilay fo
Mba hanadino ilay fiarahana aminao.

Fa toa tsy nety izany
Tsy nety izany...

Tsy ianao irery koa no nikasa hanindry fo
Ka hamafa ilay fitiavana hatrizay.
Fa izaho koa dia tia niezaka ny hanary dia
Hanadino ilay fiarahana taminao.

Nefa tsy nety izany
Tsy nety izany...

Fa efa nahazo laka ilay fitiavana
Ka nanjary lalim-paka tao am-pontsika roa
Ka na nihezaka aza izaho sy ianao ny hamafa
Ilay fatorana efa nisy izay nodiantsy hita

Nefa tsy nety izany
Nefa tsy nety izany

(Hey, hey:
Izany dia mila
Ianao nampifila
Izaho koa mila
Hafanana safosafo any amin'lah
Ny hanisa kintana niaraha-namintana
Amoron-drano
Tantara tena nisy io fa tsy angano
...
Farafaharatsiny manadino ilay fo)

Nefa tsy nety izany
Nefa tsy nety izany.

Fa efa nahazo laka ilay fitiavana
Ka nanjary lalim-paka tao am-pontsika roa
Ka na nihezaka aza izaho sy ianao ny hamafa
Ilay fatorana efa nisy izany nodiantsy hita

Nefa tsy nety izany
Nefa tsy nety izany.

(Mitady anao
Tiako averina indray
Ilay fiarahana milay taloha
...)


Fitiavako ianao (3)
Ianao ihany...
Fitiavako ianao (3)
Ianao ihany...

(Fa mafy anie ilay fitia
Izay no ambarako ianao...)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : 'Zay
Visites : 686
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 07/04/2023 09:40
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198