AROVAKO I MADAGASIKARAKO (Vanintsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AROVAKO I MADAGASIKARAKO


Gasikarako, nosindrazako
Ilay fonenako, hilevenako
Gasikarako, tany mamiko
Tsy atakaloko, hifaharako

Ny fahendrena nentinao ho tanako
Ireo fomba amam-panao ho andrianiko
Fa tiako hajaina tsotr'izao
Izay rehetra momba anao r'ilay Madagasikarako

Ref: Ho gfer arovako qikewh tsy ho tononkira.serasera.org very ireo zava-tsoa
        Ho koloiko ombieny ombieny izay hahasoa
     idowbl    Ny ala ho arovako, ny biby tsy ho fongoriko
        Handray ny anjara tandrify aho mba ho anao

Gasikarako sy ireo harenany
Reherehako, tsy potehiko
Gasikarako sy ny tontolony
Ho arovako fa hany lovako

O rahavako, malagasy namako
O ry zokiko e, o ry zandry a!
Andao hiaraka hifampitantana
Hiaraka hikolokolo ity nosindrazana

A/C : Vanintsoa

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vanintsoa
Visites : 900
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : baloba
Date : 09/02/2024 19:18
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0235