Toko dimy (Titi Raha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toko dimy, toko dimy
Nataoko toko dimy ity hira mozika ity e
Toko dimy, toko dimy
Nataoko toko dimy ity hira mozika ity, Yeeeaaah!

Mozika miritsoka sy majika, mitondra ahy misidina any ambony
Mozika mitondra fitia tsy ho ritra, mitobaka lalina any am-ponao any eee
Toko dimy, toko dimy
Nataoko toko dimy ity hira mozika ity e
Toko dimy, toko dimy
Nataoko toko dimy ity hira mozika ity, Yeeeaaah!

Ho ravaky ny andro sy ireo ora maizina, mamoha ireo fanahy izay toa mandrimandry
Atao fanafodin'ireo malaindaina, atao hainga hanakanto ny atao mba ho maivana e, Yeeeeee!
Ho ravaky ny andro sy ireo ora maizina, mamoha ireo fanahy izay toa mandrimandry
Atao fanafodin'ireo malaindaina, atao hainga hanakanto ny atao mba ho maivana e

Manala fahanginana e, mampisinda ahiahy, masoandro mamiratra e, ho anareo sy ho anay
Ho fenomanana hatrany anie, diavolan-ko lavan mozika manambatra e, hampiray fa tsy handrava.


Tonony sy feony : Titi RAHA ©
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Titi Raha
Visites : 1551
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : sanga
Date : 19/11/2016 20:59
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011