Mandrakizay (Tana Gospel Choir - TGC)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fahiny ela be,
Niantombohan’izao isika izao dia i Adama sy Eva eh
(Oh yeah! Oh yeah! Oh yeah!)
Sambatra be
Fa nomen’I Jehovah Edena ‘zay tsara sy meva ah
(Paradisa! Paradisa)

Kinanjo nisy eh
Fa norebireben’i Satana ilay vehivavy
(Ayayay very isika eh)
‘Lay voankazo voarara
Lasa ozona ho azy sy izay taranaka ho avy eh
Raha ny tantara dia izay,
Kanefa tsy izany fa…

Ref : FITIAVANA
No niantsoany anao
Tiany ianao mba hiverina
Handray aina vaovao
Fitiavana tsisy toy izany, eh
Hatramin’ny naha-tany ny tany a a any
Satria tiany tiany
Tiany ianao zanany

Saintsaino havako aby e!
Fa Jehovah dia maniry anao mba hiverina indray (ambarao izay, ambarao)
Ka nanome ilay (Zanany maminy indrindra ho anao sy ho ahy)
(Nanaiky ho sorona Jesoa ouh ouh ouh)
Noratraina Izy avy eo novonoina, tena nijaly eh
Mba hamonjy ny olona
Sy ny fanahin’izay velona rehetra eto an-tany eh
(Raiso ho anao sy ho ahy izao fa)…

Ref :

(Interlude)

Dia mitosatosaka ny fahasoavana eh
(Anilanao Ray no mahatsara ahy)
Nomenao fanahy mahery aho
(Sambatra foana ny fanahy)
Handova lanitra eh
(Soratanao any ny anarananay)
Ho zanaka foana anie izahay eh, Ray oh
MANDRAKIZAY

Ovan'Andriamanitra aho oh
Mifaly amin'ny fanantenana
Nandresy ny haizina eh
Nomen'I Jesoa fahefana
Tsy foiny ariana eh
Fa zanaka tiana eh
Izany ny ahy no ilaiko oh
Te hihaona amin'ny Raiko aho eh
(Interlude Solo)
MANDRAKIZAY
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tana Gospel Choir - TGC
Visites : 293
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Solomona17
Date : 16/02/2024 08:53
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121