Raha sitrakao Ray o (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha sitrakao Ray ô!
Henoy ny feoko miantso Anao
Mitoreo sy efa sasatra éry
Mifona aminao aho hiverina indray
Mitalaho iantrao re Jesoa
Indro tazako ety,
Reo loza maro efa miandry ahy
Raha mbola tsy mandray Ianao
Ka izao anio izao no andraisako Anao
Mba tsy ho fitsapana mavay

Fiverenana : Ilay fitia nomenao ahy
Sy ilay hatsaram-panahy
No tiako hanavao ny foko (Jesoa)
Azoko antoka tokoa
Fa hitondra soa sy hanambina
Tsy ho solafaka

Raha sitrakao Ray ô!
Tahio hahay hitandrina sy mba hanaja ny teny izahay
Fa io no ampinga iray mpisava ny lalanay
Ry Tompo makany Aminao
Raha ny faniriako
Ho tokam-po fa tsy hanin-droa na hizarazara ilay fitia
F'izay no sitrakao ka tsy mba ho lavinay
Anio re ampitso ho doria

Fiverenana : Ilay fitia nomenao ahy ...

A/C : SDN
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tanora Masina Itaosy
Visites : 133
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Anahy
Date : 20/03/2024 22:23
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736