INDRO HAVAOZIKO (svm mamoriarivo fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Taloha izahay raha nanadino anao
Nanaram-po tamin'izao tontolo izao
Variana teny ka nanankin-doha
Tamin'ny zava-mahadomelina moa
Feno haratsiana feno hadalana be
Ratsy fanahy sady mirehareha
Soa fa teo ilay teninao
Nahatonga ahy hijoro toy izao

Ref: Ankehitriny tompo indro havaoziko
Havaoziko zava-drehetra
Nambabo ny fonay ka indro havaozinay ,
Havaozinay tsisy fepetra
Izany fanoloranay tena anio
Diovy izahay hadio

2) Efa lasa re ny zavatra taloha
Tonga vaovao izahay mpanompo moa
Satria ianao no nanavao anay
Ray o! ampio ho irakao izahay ka
Tsy hiova intsony fa tena hiorina
Aminao jesoa ilay marina
Ny lalanao no indro arahanay
Dia mahatoky ihany koa izahay
--------
Lien:
Commentaires
fyandrianina ( 12/10/2024 09:19)
hira fanolorantena
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : svm mamoriarivo fitiavana
Visites : 54
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : fyandrianina
Date : 12/10/2024 09:18
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0815