Maso Mena (Soradra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maizina ny andro, efa dify ingahy masoandro, efa mamy ny mody
Efa handalo eo 'lay bandy, bilabila tsy mba mandry, ny fiainany aza tsy manjary
Bandy kely efa voahodin'ny toaka sy ny revy, ny ho aviny aza efa very
Amin'iny lalana iny, tsisy akama f'irery sady (efa) diso fijery

Isan'andininy:
Maso mena, endrika maloto sy matroka lava no eny an-tavany
Maso mena, efa ho hazo fijaliana, tsy hitany intsony izay hiafarany
Maso mena, vato mizàna amin'ny fiainany mandanja ny ratsy efa vitany
Maso mena, tsy afaka aminy intsony manery azy, maso mena

Maraina miala ao an-trano, ny endrika madio, ny manodidina aza gaga
Rehefa tonga ny hariva, manaitra azy ireo dia mitabataba
Mampalahelo ny mijery azy, mampahonena kanefa tsy hita ...mba vonjeo re
Fa maizina ny andro, efa dify ingahy masoandro, efa mamy ny mody

Tonony sy feony: Faniry RAM
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Soradra
Visites : 1917
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : Faniry-Nomena
Date : 02/09/2016 15:17
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724