Bala Ho An'Lah (Soradra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza mihevitra ahy hoe bandy ratsy fitafy,
Fa ny zava-bitako eny amin'ialahy no mifafy,
Aza avahan'ialahy,
Fahavaloko izay manosika ahy

Tsy revy fotsiny ny ahy fa fomba fiaina,
Rock am-po, Rock no toe-tsaina,
Ahy ny ahy, aza hidirana lalina,
Aza midona amiko f'anaty lavaka lalina

Fijerin'ialahy, alaviro ny masoko,
Fihevitr'ialahy, ampirino tsy ho fantatro,
Aza kitihina aho
F'izaho ilay bala ho an'ialahy

Aza bahanan'ialahy ny làlana andehanako,
Fa tsy tratran'ialahy ny halavirana tratrako,
Ary aza enjehina aho,
Sao ho tafintohina aorina ao

Tsy revy fotsiny ny ahy fa fomba fiaina,
Rock am-po, Rock no toe-tsaina,
Ahy ny ahy, aza hidirana lalina,
Aza midona amiko f'anaty lavaka lalina

Fijerin'ialahy, alaviro ny masoko,
Fihevitr'ialahy, ampirino tsy ho fantatro,
Aza kitihina aho
F'izaho ilay bala ho an'ialahy

Tonony sy feony: Faniry RAM / Fandrindrana: Locki sy Faniry RAM
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Soradra
Vangy : 745
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Faniry-Nomena
Daty : 11/09/2018 17:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739