Manombatomban-ko avy (Solika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manombatomban-ko avy e
Ny orana andrefana iry e ee, e ray lahy e
Tsy tatao anie ka mila hirotsaka
Ny eny an-tampon-kavoana e, e ray lahy e
Ry masoandro te hody e
Mirefarefa eny andrefana e, e ray lahy
Hanaitra ny manam-podiana e
Fa samy hamonjy ny akany

An'iza kosa ho aho ry zareo e
Izany fo misento lava?
AN'IREO MBOLA TSSSSSSY AN'OLONA IZANY
An'iza kosa ho aho ry zareo
Izany saina te halahelo
AN'IREO TSY METY MIONONA FA MBOLA
MITADY HIHOATRY NY VALA

Mionona sao manimba ny saina
Atsaharo sao manimba eritreritra
Etsy ange ianao ilazàko azy

NY RAOZIN'OLONA TSY AZO LAINGOSANA
NY ANJARANAO ANY ANKOATRY NY BONGA
ANDRASO ARY SOMBINIAINA
AZA MATY ANIE AHO RY BELOHAKO IZANY

Ny raozin'olona tsy azo laingosana
Ny anjaranao any ankoatry ny bonga
andraso ary sombiniaina
AZA MATY ANIE AHO RY BELOHAKO IZANY

Manombatomban-ko avy e
Ny orana andrefana iry e ee, e ray lahy e
Hanaitra ny manam-podiana e
Fa samy hamonjy ny akany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Solika
Vangy : 830
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nirinamercia
Daty : 10/10/2020 09:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076