Atolotray (SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Efa impiry moa aho Jesoa,
no nantsoinao mba hanompo Anao
Nefa toa variana tsy mahatsiaro Anao e!
Raha tsy misy zavatra manjo
Ka hifonako Aminao, ireo hadalàna vitanay
Ireo fahotana mba sasaonao e! amin’ny rànao soa

2.Tompo mahery Ianao ,
Ianao no hitari-dalana
Amin’ireo asa fanompoana atao e!,
mba tsy hosolafaka ny dia
Ianao no kapiteninay,
tsy hanatahotra tokoa ‘zahay
Ireo fahavalo misakana ny dia e!,
horesenay mora foana.

Ray ô! Atolotray Anao anio izao,
ireo rehetra nomenao anay
Mba hiderana ny Anarano ry Ray
Izao no voady ataonay anio ry Ray,
tsy hivadika Aminao tokoa ‘zahay
fa hanompo Anao mandrakizay


A. Hery RAZANAKOTO
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY
Visites : 874
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : belouhrazan
Date : 09/03/2018 08:29
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715