SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY

Hampiditra sary Nampiditra belouhrazan
08/03/2018 09:13
Hiran'i SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY 32 Jereo eto
Vangy : 1012
Mpankafy : 1 Ankafizo
Ny Sekoly Alahady mihira F.J.K.M ITAOSY dia niforina ny volana Jona 1984; anisan'ny namorona azy dia Ramatoa RASOANAIVO Nivohanitra sady mpamoronkira izy no mpitendry orgue tao amin'ny F.J.K.M Itaosy izy tamin'izany fotoana izany,maro ireo olona nifandimby nitondra ny SAMI hatramin'izay fa ny tena naharitra nitondra azy dia Andriamatoa ANDRIANANDRASANARIVONY Edson Josoa,noho nyn antony samihafa sy ny andraikitra nosahininy dia tsy afaka nanohy ny asa fabampianaran-kira intsony izy ka voatery nijanona tsy nihira nandritra ny 2 taona ny SAMI.Tamin'ny 12 Janoary 2012 no voaantson'ny Tompo hitarika ny SAMI indray i Andriamatoa ANDRIAMIZAKA Hery Razanakoto,nanomboka tamin'ny zavatra tsynisy novantaniny izy tamin'izany na ny hira na ny fitaovana nampiasaina, ankehitriny dia feno 6 taona izay no niverenan'ny SAMI nihira indray ka manana hira miisa 81 izahay amin'izao fotoana izao, efa nahavita rakin-kira 2 izahay zao ary ezahina ho avoaka amin'ny volana Jolay 2018 ho avy izao ny DVD voalohany.Amin'io volana jolay ihany koa dia hanao concert voalohany ao amin'ny F.J.K.M Itaosy ny SAMI ka hanatanteraka hira 20.Miisa 13 izahay no mpiandrikitra izany SAMI izany amin'izao fotoana izao.Ny SAMI moa dia eo ambany fitantanan'ny Sekoly Alahady reniny.

Hevitra momba an'i SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY (32)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0956