Hifikitra mafy (SAMi FJKM ZIONA FAHAZAVANA ANOSIBE)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Bridge:Eh eh eh...'Zahay rô hanaraka Anazy e!
Eh eh eh... Hifikitra mafy Aminazy e!
1. Tsy haiko ny tsy hilaza e
Fa tsara loatra Ianao (Tsara loatra e...)
Mendrika ny voninahitra e
Ny fahalehibiazanao (lehibe loatra e...)
Ny tany rehetra e
Miondrika eo Aminao
Ka sahiko izao ny milaza e
Fa tsara loatra Ianao
Refrain:
Ka hitia Anao rô 'zaho
Hanaraka Anao e
Mamiko ny anilanao
Feno hafaliana ny foko e
Na inona hanjo
Hifikitra mafy Aminao e
Ka hatoky hatrany e
Izay hitondranao 'zaho
2. Misy ràha tiako ambara e
Lazaiko anarô
Jesoa rô lahy tena izy e
Tsy hamitaka anarô
Izy ilay lalana tsara e
Handehananao mahitsy
Tanjona tokana ihany e
Handova ilay paradisa
Outro:
Ya eh eh eh yah
Ya eh eh eh 'ndao 'zalahy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : SAMi FJKM ZIONA FAHAZAVANA ANOSIBEVisites : 906
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Sederaz
Date : 25/04/2025 21:11
