Fandrosoana (RR Majunga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izao ve no fomba raha mandroso
Manao dia mianotra ka mikoroso

Nalaina ny lamba dia nariana
Tsy an-dahy tsy am-bavy ka mahavariana
Ny volo tinapaka noboriana
Amin’zay ny fihetsika mahavariana
Izao ve no fomba raha mandroso
Manao dia mianotra ka mikoroso

Ny nataon-janahary dia nosoloina
Tarehy sy tànana nolokoina
Ny volo tsotra nongitaina
Setroka kosa no tohan’aina
Izao ve no fomba raha mandroso
Manao dia mianotra ka mikoroso

Izany hono hoe ka fandrosoana
Tsy afo tsy vary iray laona
Tsy handray ravin-dena hipetra-poana
Raha avy toaka no ody noana
Izao ve no fomba raha mandroso
Manao dia mianotra ka mikoroso

Saintsaino tsara, diniho ry zaza
Ny fandrosoana voankazo an’ala
Ny hendry mifidy izay sahaza
Fa maika mikimpy izay adala
Ka saintsaino tsara
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : RR Majunga
Visites : 2547
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 29/03/2015 15:44
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108