Tsara tefy (Ramih)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSARA TEFY ♥
Aza mihevitra akory ny hilefa
hilefa ato am-poko ianao
f'efa tsara kobona tsara tefy
latsa-paka tanteraka ao

Aza mby an-tsaina akory fa tsy tandriko
hoe "iny olona iny tia anao"
f'efa manorisory sy tsy tantiko
ny mahita azy mandinika anao

Ref : (a)ngaha moa zany, zany tsy tsapanao??
(a)ngaha moa zany, tsy efa hatramin'izay ka hatram'izao??

Ireo fiarahana mamy hatrizay
no nahatonga ahy tsy ahafoy anao
namela fahatsiarovana mamay
ka lasa tsy haiko "ny tsy eo anilanao"

Ref : (a)ngaha moa zany, zany tsy tsapanao??
(a)ngaha moa zany, tsy efa hatramin'izay ka hatram'izao??

A/C : qxyr Ramih
Contact ygllw tononkira.serasera.org : +261 34 60 009 48
Fb : Ramih Ramih
Page officiel : Ramih mtopmwyd (artiste)

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ramih
Visites : 14
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ramih048
Date : 06/07/2026 12:35
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0383