Valo sasany (Rakoto)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nifoha maraina ny ekipa rehetra androany
Manenjika ny lamasina manainga amin’ny enina
Ny tara train re ka tena vinany, tsy azo afenina
Ny lalan-kodiavina anie dia lavitra ihany
Mikarataka hitady fiara izany no tetika
Mba tsy hitonatonana manahaka sambo milentika

Tsy diso fotoana, anio hariva, tongava amin’ny valo sasany
N’aiza n’aiza, na ahoana na ahoana, tsy fanao mampiandry ny sasany
Tsy diso fotoana, anio hariva, tongava amin’ny valo sasany
N’aiza n’aiza an an an an

Mitendry gitara, mihira, mamelona anay
Fiheveranareo amin’izany dia asan’adala
Kanefa ho anay dia mitondra hafaliana tsy manan-tsahala
Ny lalan-kodiavina anie dia lavitra ihany
Mikarataka hitady fiara izany no tetika
Mba tsy hitonatonana manahaka sambo milentika

Tsy diso fotoana, anio hariva, tongava amin’ny valo sasany
N’aiza n’aiza, na ahoana na ahoana, tsy fanao mampiandry ny sasany
Tsy diso fotoana, anio hariva, tongava amin’ny valo sasany
N’aiza n’aiza an an an an
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rakoto
Visites : 98
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : andrezega
Date : 02/12/2025 09:08
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.081