Rakoto

Nampiditra https://tononkira.serasera.org/mpihira?username=
24/10/2002 12:48
Hiran'i Rakoto 4 Jereo eto
Vangy : 3320
Mpankafy : 0 Ankafizo
Mpanakanto Malagasy teraka teto Antananarivo (la ville des milles soldats), nifikitra tanteraka tamin’ny kolontsaina malagasy nefa koa nivelatra ho amin’ny tontolo rehetra, nandao ny tanindrazany izy tamin’ny faha18 taonany ary nisidina ho any Erôpa, nila ravinahitra tany atsimon’ny Frantsa, teo no nanombohany nampivelatra ny mozikany izay nolaroiny tamin’ny loko hafan’ireo mpanakanto nanamarika azy.

Mpamorona, mpihira no sady mpandrindra Rakoto, ary mihira amin’ny teny vahiny toy ny : Anglisy, Frantsay ary Espaniôla fa indrindra tsy adinoiny ny tenin-drazany dia ny Malagasy.

Voaresaka matetika ao anatin’ny tononkirany ny tantara sy ny fiainan’ireo olona izay ahilikin’ny fiaraha-monina.

Tsy misaraka aminy ny gitara arahin’ny feo izay mampiavaka azy, Rakoto dia miezaka ho vavolombelon’izao tontolo izao, iizao tontolo izao izay toa manana fijery mahitsy sy tsy miangatra; “angamba noho izy nipoitra tamina fiaraha-monina tsotra”.

Tsy adinoiny ireo zava-mitranga maro izay miajady, nataony koa ny hirany ho fahatsiarovana hatrany ireo “zandry kely” izay mbola miezaka mafy hahasoa ny hoaviny

(http://www.rakotozandrykely.com/Rakoto/Accueil_malgache.html)

Hevitra momba an'i Rakoto

lemenakely (19/06/2006 21:30)
INDRAY ANDRO hira malagasy nahazo numero 1 tao @ TOP 50 t@ taona 1986

Hiran'i Rakoto (4)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1072