Hariva Ny Andro (Takariva Mahamanina) (Oscar Randria (Ossy) sy Ludger Andrianjaka)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Takariva mahamanina ny androMadiva sisa tia hody ny masoandro
Efa dodona ny vorona mandalo
Malahelo any aho ka aoka hikalokalo
Ho afak'aiza moa fa singany irery
Mba tia hanidina aho kanefa tsy ampy hery
Raha mba nanan'elatra aho dia namangy anao
Tsy andry fa izao ankehitriny izao
Indro fa nidify ilay masoandro teo
Dia maloka ny lanitra sy tany
Kitan-tsemby mitsiloky eo ambony eo
Izay antenaiko fa ho tazana any ho any
Ny angatahiko hovaiko izany foko
Mba hionona hangina tsy hitoloko
Mbola ho avy ny maraina hitondra ho any
Aina vaovao hamelombelona fanahy
Aina vaovao hamelombelona fanahy
--------
Rohy:
Hevitra
Kotsur
(
12/05/2026 08:11)
Miala tsiny indrindra fa diso io. Tsy Ossy Rakotobe izany no anaran'i Ossy fa Oscar RANDRIA.
Kotsur
(
12/05/2026 14:15)
https://www.facebook.com/100067641032075/videos/hariva-ny-andro-takariva-mahamanina-ludger-andrianjaka-ossy-1959feonkira-naly-ra/556989912757498/
Kotsur
(
12/05/2026 14:22)
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Oscar Randria (Ossy) sy Ludger AndrianjakaVangy : 27
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kotsur
Daty : 12/05/2026 05:20
