MILA VONJY (NY Kalo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa rakotr'ota ny tany e!
Tompo ô! vonjeo izahay
Fadiranovana ka mitomany
Tompo ô! vonjero izahay
Miseho avokoa ny faharatsiana
Tompo ô! vonjero izahay e!
Ny herisetra tsy hay idifiana
Tompo ô! vonjero izahay

Amin'ny sasany ny fivavahana
(ny fivavahana)
Hanarotsaronana ny ratsy atao
(ny fomba ratsy fanao)
Satana no indro fa mahazo vahana
(mahazo vahana)
Ka mandeha ho azy ny fomba fanao
(ny fomba ratsy fanao)

Toa rakotr'ota ny tany e!
... ... ...
Misy aza ireo milaza ho mpitory
(tena milaza ho mpitory)
Mandany fotoana manketsy sy ero
(mandeha etsy sy eroa)
Manantena hitsetsitr'ireo efa ory
(mitsetsitra ireo efa ory)
Tsy vonon-kiasa dia voky tokoa
(mitetik'ho voky tokoa)

Toa rakotr'ota ny tany e!
... ... ...
Miseholany ny fifandrafiana
(ady sy fifandrafiana)
Fitiavan-tena no anton'izany
(ekena fa anton'izany)
Ny iray trano aza ampiadiana
(tena ampiadina)
Ravola sy harena dia izay ihany
(loza ny manjo ny tany)

A/C: Tonton Sôla
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NY Kalo
Visites : 410
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Randriamamory
Date : 27/04/2023 23:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.077