MITADY NY RAHALAHIKO (NY Kalo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andeha ho aiza ianao no toa maika?
Toa dodona ery sy mitotototo ery!
Sa any ho any misy rahalahy ho vonjena?
Sa misy tadiavina maika? Lazao!

Eny tokoa, any ho any
Misy rahalahiko izay
Dia rahalahy mpiandry ondry
Izay nasain'i Dada ho jerena

Na mbola ho ela vao hita izy ireo
Dia tsy ahoako fa tadiaviko ihany
Na sarotra aza na koa mangina ny dia
Dia tsy ahoako fa iaretako ihany

Vonona aho hiatrika ny fahoriana
Mandra-pahitako ireo rahalahiko ireo!

Skoto 259è
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 28/04/2023 09:25)
nb. Raha teny gasy dia marina io hiatrika io ka. Atrika no matoateny.
Randriamamory ( 28/04/2023 22:07)
Haaay, Eny, marina izany! mankasitraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY Kalo
Vangy : 289
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Randriamamory
Daty : 27/04/2023 23:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3402