TANTARAN' IALAHY (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maneri-dava foana ny aty aminay
Hatramin’izay nandehanan’ialahy izay
Ialahy ilay bandy kely ratsy vintana
Tsy mety ho tafita fa mafy ady lava izao
Tofoka ialahy nanapa-kevitra ny handeha
Nahoron’ialahy avokoa ny entan-kelin’ialahy
Nahasorena an’ialahy ny mpiara-monina
Nanesoeso vao maika toa nandroaka an’ialahy
La!la!la!......
Izany no mba tantaran’ialahy
Nitady teto anikeheo ’lay malalan’ialahy
Nipenipenina nandona varavarana
Dia nolazaiko azy ny antony nandehanan’ialahy
Tsy nahaloa-peo fa niondrika izy tamin’izay
Niezaka ihany izy ny hanafina
Ireo masony no nanganohano be
Ny herika nifafy tamin’ny endriny
No nifangaro tamin’ny ranomasony
La!la!la!......
Izany no mba tantaran’ialahy
Raha tonga ny andro iray izay hiverenan’ialahy
Ho andro lehibe tokoa izay andro izay
Ialahy ilay bandy niomehezana hatrizay
Nanarina ihany ka tonga nalaza be
La!la!la!...... (3x)
Ho tsara ny andro rehefa hiverina ialahy

NJILA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njila
Visites : 3485
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Linah D
Date : 13/08/2003 15:34
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741