HIFAMPODY (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho avy androany aho hamerina indray
Hitondra zava-baovao ho anao
Ho avy hivimbina vazo iray vaovao
Nataoko tany ho any fony izaho mbola nandao

              Ho avy androany aho hitondra talaho
              Hanamafy ilay fitiavantsika teo iny
              Ho avy aho ho anao, ho avy tsy hilalao
              An-drafitiavana saika tsy tamana teo

Tsy hisy hahasakana ny fandehanako aty
Tsy hisy ahodina ny foko tsy ho anao
Ny varavarana no avelao hivoha
Tsy ho lany andro anie aho
Rehefa tonga aty aminao

              Mampalaindaina ny hisaraka aminao
              Fa mila tsy ahatsiaro fodiana intsony
              Satry hijanona, satry tsy hifandao
              Satry hiaraka foana aminao

Rahoviana indray ianao no ho tonga aty
Hitondra fitia fa ho avy aho
Mino aho fa tsy hampiresaka intsony ianao
Fanaonao taloha fony ianao io be lalao

              Tsindrin-daona be anio aho malala o!
              (Izaho koa toy izany)
              Toa tsy andriko izay andro iray izay
              Mivoha ho anao ny varavarana aty
              (Ho avy tsy ho ela)
              Tongava ianao f’efa sasa-miandry
              Anao anie aho

                                      NJILA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njila
Visites : 3340
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Linah D
Date : 04/08/2003 07:46
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763