Hafatra (Njara Marcel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
'Ty misy vazo iray mba am-pihainoako anao
Namana anaty fo, anaty rà
Hafatra hoan'ny taranaka a! a!
Resadresaka mozika ihany ilay raha!
Manoloana ireto kolotsaina vazaha
Miangavy anao ranabavy sy ralahy a! a!

Hamerina ireo kolotsaina fahiny!
Hanandratra avo fa tsy hanindrahindra ny an'ireo vahiny foana e! e!
Hamerina ireo kolotsaina fahiny
Hanandratra avo, hanandratra avo!

Fa kanto ny mozika malagasy
Ka andao velomina mba tsy ho faty
Lafatra tsy manam-paharoa
Misy angola mandrotsirotsy fo.
Mba ho entiko ianao raha hihaino azy
Fa tsy ratsy anie ny kanto malagasy
Manentana anao zoky sy zandry koa
Mba henoy ny hafatro ataovy am-po!

Sao mahasoa!

....

Ekena fa mivoatra be ny mozika ankehitriny
Mitobaka eto an-toerana ireo gadona vahiny
Tsy hoe ratsy ireny kanefa ialako tsiny
Fa mbola hafa ihany ny ao ilay mozika fahiny.
Feom-baliha, kabôsy, sodina, farara
Irinay mba ho henon'ireo dimby sy fara e!
Tononkira voarindra ho lasa antsa
Tsy ho levon'ny fotoana ary tsy ho lany manja e! eeh!

Fa kanto ny mozika malagasy
Ka andao velomina mba tsy ho faty
Lafatra tsy manam-paharoa
Misy angola mandrotsirotsy fo.
Miangavy anao izao namako aza variana
Omeo sehatra fa aza avela hangina
Aza atao mahamenatra fa io ny an-tsika
Sahia mirehareha ho ento atrany ampita.

*Gasy mahavita! (X5)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njara Marcel
Visites : 705
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : christophe17
Date : 29/06/2022 17:49
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2895