Ahy ianao (Njara Marcel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao nanomboka dia,
Tsy nampoiziko hoe ianao mihitsy
No hanova ilay foko manakambo jiolahimboto kely
Tsy nampoiziko ny zava-nisy
Hoe ianao io fanilo hitsilo ny lalako e
Fa nitondra fiadanana ho ahy,
Ka tsy ho tantiko ny tsy anilanao
Na segondra iray
Na segondra iray

Mikiakiaka ny foko milaza f’efa ahy ianao
Ho sasamiandry eo foana
Izay miseho manadala anao ouh ouh ouh…
Mikiakiaka ny foko milaza f’efa ahy ianao
Ho sasamiandry eo foana
Izay miseho manadala anao ouh ouh ouh…


Ref:
Fa fenomanana ny antsika e,
Diavolana lava
Tsy avelantsika hangatsiaka e,
Na hisy orana handrava
Ilay vatanao toa mambabo ahy ouh ouh..
Ilay fahatsoranao mameno ny saiko
Lalaiko…

Anio vao fantatro hoe :
Hay ianao Ilay tena izy
Tsotsotra mandona fo
kanto loatra toa mihavaka kely
Tsy nampoiziko ny zava-nisy
Hoe izaho izao mihitsy no hiteny hoe :
Tafalatsaka be
Hoe tafalatsaka be mmmh…

Mikiakiaka ny foko milaza f’efa ahy ianao
Ho sasamiandry eo foana
Izay miseho manadala anao ouh ouh ouh…
Mikiakiaka ny foko milaza f’efa ahy ianao
Ho sasamiandry eo foana
Izay miseho manadala anao ouh ouh ouh…


Ref:
Fa fenomanana ny antsika e,
diavolana lava
Tsy avelantsika hangatsiaka e,
na hisy orana handrava
Ilay vatanao toa mambabo ahy ouh ouh..
Ilay fahatsoranao mameno ny saiko
Lalaiko…

Fa fenomanana ny antsika e,
diavolana lava
Tsy avelantsika hangatsiaka e,
na hisy orana handrava
Ilay vatanao toa mambabo ahy ouh ouh..
Ilay fahatsoranao mameno ny saiko
Lalaiko…
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Njara Marcel
Visites : 656
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Tokony
Date : 14/08/2025 19:22
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.075