Malilo (Mr Sayda (Misié Sayda))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola tadidinao ve le tamin'ny mbola kely fahiny ela beVolana juillet le zay manao fialan-tsasatra any Antsirabe
Tamin'izany nahoana no tsy ho faly
Mahita anao mitaingina soavaly
Fito amby folo taona lasa izany
Tamin'izany le pecle voalohany
nahitako anao menamena fitafy
Otrany hoe varavaran'ny gara
Foko midobodoboka mafy
Nanomboka teo za de tara
Mba omeo ny anaranao nefa de nataoko hoe malilo
Hafa ny hatsaranao razazavavy fa tsy mampino
Malilo malilo
Malilo malilo
Aza mba malahelo izany ianao
Fa za tsy nanadino oh
Malilo malilo
Malilo malilo
Na fotoana fohy aza ny niarahantsika
de tsapako matsiro oh
De tsy haiko ianao na mbola eto ihany ii
Na koa nanidina any andafy any
Mbola tsy niova kony ny lokon'ny tarehy
Fotsifotsy notafina menamena anh
Fotsifotsy mampahatsiaro ny fahazazanao re ry malilo
Lay mijanona ao an-trano de miletra voamadilo
Menamena mampahatsiaro masoandro mody rehefa hariva oh
Hoe tapitra ny fialan-tsasatra hody any Antananarivo oh
Veloma ma vie de bye bye
Any à laFrantsa indray
Ka raha mbola tsy zakan'ny zalahy ianao
De ho kôtiko amin'izay e
Mahory, mahory
Malilo fa hadino oh
Tandremo ny vadinao ary sao saropiaro
Fa za anie tsy manino
Malilo malilo
Malilo malilo
Na fotoana fohy aza ny niarahantsika
de tsapako matsiro oh
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Mr Sayda (Misié Sayda)Visites : 1045
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Albertrak30
Date : 02/03/2025 13:11
