Manantena ihany (ft. Aton'ich) (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mampamangy ry tiana raha toa ka leo
Fa izaho koa tsy hitana e
Tsy ifanerena ny fitia
Veloma masiana raha toa tsy tamana e!

Mahità ny tsara any
Tsara tsy misy kianina fa tonga lafatra ô
Raha ny tenako aloha efa niezaka saingy indrisy e!
Avo ny volana ka tsy takatro ô.
Hifonako e!

Mahalala minona ny aty rehefa ahilikilika
Mahay manarina fitia rehefa avy ravaina ô,
Nefa ilay fitiavako anao mbola tsy mety maty
Tsy maty fa miandry anao ô

Ka mampamangy akia ry tiako
(veloma mampamangy e e)
Tsy mandrakizay fa veloma ihany ô
Raha sendra mahatsiaro, adiresy tsy miova
Lay fitiavako anao koa tsy maty
Fa mbola manantena ihany ô

Fiarahana tsy fonja ka hoe hifanery
Raha mihevina mahatsiaro anao aho
fa tsy hoe voan'ny sery
Ranomasina manonja ny fiarahantsika
Faravodilanitra manalokaloka
ny masoandro tsy hibaliaka

Tsapao fa mangatsiaka e
Efa maty efa ela lay afo nilelalela be
Efa niezaka aho fa tsy haiko aloha ianao ô
Ankehitriny aho reraka to de ravao ô.

Mahalala minona ny aty rehefa ahilikilika
Mahay manarina fitia rehefa avy ravaina ô,
Ianao 'lay mamiko indrindra no lasa nipitsika
Ka na boto be tahaky ny inona dia savolaina be

Ka mampamangy akia ry tiako
(veloma mampamangy e e)
Tsy mandrakizay fa veloma ihany ô
Raha sendra mahatsiaro, adiresy tsy miova
Lay fitiavako anao koa tsy maty
Fa mbola manantena ihany ô

(instrum)

Ka mampamangy a
Veloma ihany e
Ka mampamangy a
Veloma ihany e

Ka mampamangy akia ry tiako
(veloma mampamangy e e)
Tsy mandrakizay fa veloma ihany ô
Raha sendra mahatsiaro, adiresy tsy miova
Lay fitiavako anao koa tsy maty
Fa mbola manantena ihany ô

Mbola manantena ihany
Tafiako ny fanantenana
Mbola hihaona indray andro any

Mbola manantena ihany
Tafiako ny fanantenana
Mbola hihaona indray andro any
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 3441
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 08/04/2020 20:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1812