Ekeko (Mihanta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ekeko ry Lala
Andrian’ny foko
Ny hijaly ho anao
Ny handefitra ho anao
Ka handrotika ny ao anaty...
Zakaiko...
Hifaly aho sy hijaly
Hiaraka aminao
Hikorontana hilamina
Izay rehetra hatao
Tsy misy ahoako
Zakaiko...

"Ianao no efa anjarako
Nandrehitra ny afom-pitiavako" (2)
Ianao ...

Ny saiko rehetra
Ny foko manontolo
Izay sitrakao sy lavinao
Tsy asiako alahelo
Zakaiko ...

"Ianao no efa omaliko
Ianao ihany koa ny ampitsoko" (2)
IANAO ...

Ianao no efa anjarako
Nandrehitra ny afom-pitiavako
Ianao no efa omaliko
Ianao ihany koa ny ampitsoko
IANAO..
--------
Lien:
Commentaires
hery ( 08/02/2022 20:12)
Mba azonao andefasana ny mp3 an'ity hira ity ve raha misy?
Fenohasina28 ( 08/02/2023 13:13)
Afaka alaina youtube sy ao amin'ny Facebook
hery ( 08/02/2023 22:21)
Misaotra. Efa hitako ireo sasany ireo.
Fenohasina28 ( 09/02/2023 12:03)
Dia manasa anao hanaraka ny pejy Mihanta ary e
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mihanta
Visites : 661
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : volamihantahasina
Date : 08/02/2022 20:11
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109