fanantenako (Meehant' rakoto)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eh eeeh! Mbola miteny ihany aho
Fa tsy mba vola na harena fa fitia sesehena
Miotra noho ny volamena No hitiavako anao
Eh eeeh! Manamafy foana aho
Fa fitia izay ho doria tsisy fitaka satria
Izaho dia tena tia no indro omeko andry

Malala o! Fa fanantenako ny ho tratra antitra anilanao
Hiara-higoka hatrany ‘lay fitia ety ka hatrary
Malala o! fa ny fikasako , tsy ho foana mihintsy ‘zao fotoana izao
Na eto an-tany aza toa paradisa soa , fa samy tia ampo

Eh eeeh! Ho eto ihany aho
Fa tsy hiatsara velatsihy na hoe hiandry tambiny
Ny ahy fitia misy ambiny no efa omeko anao
Eh eeeh! Manamafy foana aho
Fa fitia izay ho doria tsisy fitaka satria
Izaho dia tena tia no indro omeko andry

Malala o! Fa fanantenako ny ho tratra antitra anilanao
Hiara-higoka hatrany ‘lay fitia ety ka hatrary
Malala o! fa ny fikasako , tsy ho foana mihintsy ‘zao fotoana izao
Na eto an-tany aza toa paradisa soa , fa samy tia ampo

Mahatsiaro tena sambatra aho fa satria dia ianao
No vady andefimandriko,mpatory eo antsandriko
Ilay mpiaro ahy sy arovako ,lapako sy rovako
Aina sarobidy ho ahy ,mandrakizay

Malala o! Fa fanantenako ny ho tratra antitra anilanao
Hiara-higoka hatrany ‘lay fitia ety ka hatrary
Malala o! fa ny fikasako , tsy ho foana mihintsy ‘zao fotoana izao
Na eto an-tany aza toa paradisa soa , fa samy tia ampo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Meehant' rakoto
Visites : 63
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : rakt4191
Date : 17/11/2024 17:22
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1092