Medley 2000 (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sasatra foana aho manontany ny mpandalo
Mbola tsaroany ihany ve ny andro fahiny eh
Sasatra aho mitazana mankany
Sasatra aho miezaka maminany
Hoe ambadika ao ihany ve Iarivo o o o o
Hatramin'izao aho miantso hoe :
Miantso ka manontany
Ho ela ve ny fotoana?
Hahitako anao
Mba tsy hahatokana anao
Hifalintsika indray
An An An
Ny saiko anie tsy mamela
Fa hoe aoka tsy ho ela

Izay rehetra atao
Amin'iny lalana iny
Mampatsiahy anao
Ry namako iny
F'izany rehetra izany
Toa fahatsiarovana no sisa
Trotraka ny tomany
Rehefa irery aho mitanisa

Tsy ho tazany intsony angamba ilay masoandro
Fa any ambadika any ho any
Ao ihany ve ianao?
Ao ihany ve ianao?
Hiatrika ny fahoriako
Tsy teo intsony ianao
Fa lasa nandao
Oh oh oh oh oh oh

Ho tia anao foana e
N'aiza n'aiza no aleha
Ho tia anao foana e
N'inona hataonao
Isika ho iray foana e
Raha mbola manam-peo
Hiteny hoe tia tena ho doria

Izay natao, nataonao
Izay vitanao, nandrava
Ilay hany revy, ilay revy
Izay nahitanao ny soa
Izay natao, nataonao
Izay vitanao, nandrava
Ilay hany revy, ilay revy
Izay nahitanao ny soa

Hatramin'ny farany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 562
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lantoaxl
Daty : 21/05/2025 12:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1631