Ho andriko ve? (Mage 4)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Omeko anao, eny foiko ho anaoTsy mila tambiny akory
Omeko mba honenanao
Ny foko efa feno fitia
Sady ianao toa sasa-miandry
Lay rivotra hitondra fitia
Ka hanjakao ary hamboary akany
Ho paradisa vaovao
Ho andriko ve ny andro maraina
Mba hanorohana anao
Ho aritro ve ny alina anio
Fa babo loatra anie aho
Feno anao ny fo sy fanahy
Tsy mierikerika intsony
Lasanao ka da marary
Rehefa tsy hanilako ianao
Fa rahampitso aho handoalika eto
Hiangavy ny tananao
Ka ny voady izay hekeko
Teny oe mandrakizay
Ho andriko ve ny andro maraina
Mba hanorohana anao
Ho aritro ve ny alina anio
Fa babo loatra anie aho
Ho tantiko ve tsy anilanao
F'izao anie efa zatra
Tsy mahasaraka anao
Ampy honenanao ny ankany
Tsy lafatra fa feno fitia
Ampy ahasambatra anao izany
Tsy anio ihany fa ho doria
Andriko ve ny andro maraina
Mba hanorohana anao
Ho aritro ve ny alina anio
Fa babo loatra anie aho
Ho tantiko ve tsy anilanao
F'izao anie efa gadra
Tsy mahasaraka anao
--------
Lien:
