HITANAO (Liva Poupounn)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny momba ahy rehetra
Tsy miafina aminao
Ny ataoko rehetrarehetra
Eo imasonao
Izaho manontolo
Izaho dia izaho
Dia fantatrao daholo
Tena fantatrao

E hitanao aho
Hitanao ny fiainako
Na inona ataoko
Na aiza no alehako
E hitanao aho
E hitanao aho
Hitanao Raiko o
Ampianaro aho hanaiky anao


Ny zavatra lazaiko
Sy izay ambarako
Ny hevitra ao antsaiko
Hainao avokoa
Ny fikasan ny foko
Ny faniriam-panahy
An-tananao  ry Tompo
Zay mahakasika ahy

E hitanao….hanaiky anao

Ny masonao dia mijery ahy
Ka Aminao Tompo o
Tsy miafina

E hitanao aho
Hitanao aho Raiko o
Ampianaro aho hanaiky anao

Ny momba ahy rehetra
Tsy miafina aminao
Ny ataoko rehetrarehetra
Eo imasonao
Izaho manontolo
Izaho dia izaho
Dia fantatrao daholo
Tena fantatrao

E hitanao aho
Hitanao ny fiainako
Na inona ataoko
Na aiza no alehako
E hitanao aho
E hitanao aho
Hitanao Raiko o
Ampianaro aho hanaiky anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Liva Poupounn
Visites : 1488
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : LP241176
Date : 06/06/2012 21:46
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714