Vehivavy Vehivavy (Justin RAJORO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vehivavy , vehivavy,
tonga anara-mampanavy.
Ka na ny vadiko taloha,
'zao manjary tonga voa.
Nokolena sy nompiana,
tena singan'olon-tiana;
ka na ny rahona mandalo,
dia manjary fahavalo.

Vehivavy , ny vehivavy,
tsy mba anara-mampanavy.
Saha vita-nanahary,
zaridaina lavorary.
Be izay nanapa-tady
hihoatra vavahady.
Ka ny teny no asio fetra,
ts'izy rehetra , ts'izy rehetra.

Ry lehilahy , ry lehilahy,
'zay mamelona ahiahy,
asio lamboridy
raha mila hibolidy.
Itehirizo karavasy
raha mila ho kasikasy.
Aza mety ho voaravin'
ny sarorom-behivavy...
--------
Lien:
Commentaires
ikalamako ( 07/05/2017 21:55)
@Elonty : mba fangatahana azafady, raha hiran'i Justin Rajoro dia tazony ho Justin Rajoro ny "artista" fa aza ovaina fa manjary mikorontana ny tahirintsika. Fa raha manana mp3 an'ilay hira ataon'i Miangaly ianao dia alefaso aminay mivantana ( contact@radiovazogasy.com ) dia apetraka ao @ radiovazogasy, dia avy eo no ampivadiana ny tononkira eto sy ny hira any. Misaotra indrindra.
elonty ( 07/05/2017 22:32)
@ikalamako:hira kaloni fahiny henoko vao haingana t@ cd taty fotsiny io hira io,,dia nankafiziko; fa tsy fantatro oe mbola tsy mivoaka @ radio any; raha ohatra ka hitanao mety " hampikorontana ny tahirintsika " ilay anaran'ny mpihira dia tsy olana fa hoesoriko ; mandrampihaona o
ikalamako ( 07/05/2017 22:53)
@elonty : izay efa tafiditra dia efa namboariko kah (fa na zany aza mivika ihany ity tranonkala ity dia tsy miseho avy hatrany ilay izy) zany hoe efa anaty lisitry ny hiran'i Justin Rajoro izy ity izao kah. Ilay "harivan'ny volantantely" teo no efa ato anaty tahiry efa ela dia niditra ho azy fa ity izany no vao niditra zao.
Fa raha mba azonao trohana ilay mp3 anaty cd ka omena dia isaorana sahady an.. raha mety. Mbola tsy ananan'ny radio-ntsika e.
Misaotra hatrany
elonty ( 09/05/2017 19:16)
otrany tsy tafiditra ilay " Ny vakanay " ( Justin Rajoro ),,nisy olana kely angaha?
elonty ( 09/05/2017 19:18)
désolé , j'ai parlé trop vite,, hihi,,mercii o

Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Justin RAJORO
Visites : 1455
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : elonty
Date : 07/05/2017 21:05
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719