HO IRAY (JERIC'ko)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ireo maneso an-tsika
Nefa moa tsy mahakivy
Na izaho na ianao
Tsy nanaiky hatr’amizao
    
       Tsapako tokoa aloha izany
       Nefa ataoko kilalao hatrany
        Angamba atao hoe adala ireny
        Sa ve tsy mahalala!? fa indrisy


reffrain 1:Fa.....raha ny anay roa
                   Hijanona ho iray ny fo!
                    Na izy na izaho koa
                    Tsy ho ravan’iza tokoa

reffrain 2: Aza avela irery aho (eo foana aho)
                    Ho iray isika hatr’amizao (eny hatr’izay)
                     Fa mbola mahatsiaro aho
                     Fa raha ilaozanao eny aho
                     Dia mijaly (mijaly aho)
                     Ianao,irery ihany
    

     Na andro na isan’ora (’ty fo-ko)
     Ianao no sary ato an-doha
     Izany no mahatonga’ray
     Antsika mandrak’izay  

      

            reffrain 1: Fa......



            reffrain 2: Aza........




    2fois: Aza avela irery eny aho (eo foana aho)
               Ho iray isika hatr’amizay (eny hatr’izao)
                Fa mbola mahatsiaro eny aho
                Fa raha ilaozanao anié aho

              (dia mijaly) mijaly aho
              Ianao ,irery ihany.
            
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : JERIC'ko
Visites : 3137
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : TIKOANAO
Date : 17/12/2006 17:05
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1379