Gasi'tsara(tiako Madagascar) (JERIC'ko)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ny karazan-tany,malaza be hatrany
Hafa ihany letsy raha,i Gasikara izany
Aiza n’aiza misy anao na inona toeranao
Aza hadino aloha........
      
         I Gasikara,tena tsara
         No safidiko izy,no anjara
         Tsy ratsy akory ny misy anao
         Aza hadinoinao izao
  
Reffrain:
             Fa n’aiza aiza misy anao
             Na inona firenenao
             Aza hadino,Gasikara
             Fa n’iza iza hanaratsy
             Na koa aza hanatsatso
             Dia tiako,ny aty


  Maro no tia hahita,izany tour eiffel
  Be koa ny mpaniry hahita any  Washington
  Tsy aleo ve midera sy mankafy
  Ny anjely fotsy sy ny rova aty
  Izay mampalaza aty
  

          Tsy voalaza ireo saphire
          Lavanille sy,ny sira
          Na mpanakanto, eto dago
          Manandratra hatrany izany

            
               Reffrain:





               Ny gasy dia miray,tsy misaraka izahay
               Fotsy Mena Maintso  tarigetranay
               Tsy ekena intsony ireny manaratsy firenena
               Tsy avelako hiteny na Français na Americaine
  


      Reffrain: 2fois  
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : JERIC'ko
Vangy : 3208
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 14/01/2007 13:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1572