HO IRAY (JERIC'ko)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ireo maneso antsika
Nefa moa tsy mahakivy
Na izaho a ianao
Tsy nanaiky hatr’amizao

Tsapako tokoa aloha izany
Nefa ataoko kilalao hatrany
Angamba atao hoe adala ireny
Sa ve tsy mahalala!? fa indrisy

    reffrain 1:Fa...raha ny anay roa
                     Hijanona ho’iray ny fo
                     Na izy na izaho koa
                     Tsy ho ravan’iza tokoa

    reffrain 2: Aza avela irery aho (eo foana aho)
                      Ho iray isika hatr’amizay (eny hatr’izao)
                      Fa mbola mahatsaro aho
                      Fa raha ilaozanao eny aho
                      Dia mijaly aho (mijaly aho)
                      Ianao,irery ihany

Na andro na isan’ora (’ty fo-ko)
Ianao no sary ato an-doha
Izany no mahatonga ho iray
Antsika mandraka’zay
      
     reffrain 1:fa...
                      



      reffrain 2:aza avela........
  

    
    

                  Aza avela irery eny aho(eo foana aho)
                  Ho iray isika hatr’amizay (eny hatr’izao)
                   Fa mbola mahatsiaro eny aho
                   Fa ra ilaozanao anie aho
      
             (dia mijaly) Mijaly aho
               Ianao,irery ihany.




              
  
      
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : JERIC'ko
Vangy : 2401
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 17/12/2006 16:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758